MINISTÈRE DE LA JEUNESSE ET DES SPORTS
a

LE MINISTERE

-  Le Ministre

JEUNESSE

-  Confejes

-  PPEJ

SPORT

infrastructures

actualités

Ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia manome lanja ny fahasalamana sy ny fiarovana ny tanora malagasy. Ho fampiharana izany, ny Fitaleavana misahana ny Fahasalamana Ara-pananahana sy ny Fiarovana ny Tanora (DSRPJ) dia nanatanteraka fiofanana momba ny fanabeazana ara-pananahana ho an’ny tanora, hanampiana azy ireo hiatrika ny fiainana sy hiaro tena amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ary ny vohoka aloha loatra.

‎Tanora sy zatovo 500 no nisitraka ny fiofanana manerana ny faritra Antananarivo I, III, IV, Mahajanga, Ambondromamy, Boriziny ary Antsohihy. Nitohy tamin’ny fanentanana, fanoroan-kevitra ary fanomezana tolotra maimaim-poana toy ny fandrindram-piterahana izany.

‎Nisy ihany koa ny fitiliana Syphilis sy VIH/Sida, niarahana tamin’ny Ministeran’ny Fahasalamana, ny CUA ary ny LABIS, ary ny fikambanan’ny mpianatra FIMPIDIANA sy FITENOTA ao Ankatso.

‎Tamin’ny ankapobeny, zatovo 4506 no voahentan’ny hetsika, 325 no nisitraka fitiliana, 195 no nahazo tolotra fandrindram-piterahana ary 207 no nahazo torohevitra manokana.

‎Hotohizana manerana ny faritra ny hetsika rehefa vita ny fandrindrana miaraka amin’ireo tompon’andraikitra rehetra voakasika.

CHARGEMENT EN COURS