MINISTÈRE DE LA JEUNESSE ET DES SPORTS
a

LE MINISTERE

-  Le Ministre

JEUNESSE

-  Confejes

-  PPEJ

SPORT

infrastructures

actualités

Tontosa ny 23 aogositra 2025 tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny seho « Match de gala » eo amin’ny taranja basket-ball izay nandraisan’ireo kintan’ny basktet-ball amerikanina Anthony Tolliver sy Sylvia Fowles anjara.

Ankoatra ireo lalao ara-pirahalahiana samihafa dia nisy ihany koa ny fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao nataon’ireto mpilalao vahiny tamin’ireo tanora malagasy maro izay nanotrona ny hetsika.

Izao no tanteraka dia nohon’ny fiaraha-miasa teo amin’ny Ambasady Amerikanina, ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary ny Federasiona Malagasin’ny Basket-ball.

Tonga nanotrona sy nandray anjara tamin’ny hetsika teny an-toerana ny Minisitra Moustapha Marson niaraka tamin’Andriamatoa Talen’ny kabinetra Abdou Razako Parfait sy ireo mpiara miasa eto anivon’ny Minisitera. Nambarany nandritra ny fandraisam-pitenenany ny maha zava-dehibe ny fivahinianan’ny mpilalao vahiny eto amintsika tahaka izao izay tena soa fanararaotra ho an’ny tanora malagasy sy ireo mpitia fanatanjahantena.

CHARGEMENT EN COURS