MINISTÈRE DE LA JEUNESSE ET DES SPORTS
a

LE MINISTERE

-  Le Ministre

JEUNESSE

-  Confejes

-  PPEJ

SPORT

infrastructures

actualités

Tanterahina ao amin’ny « Petit Palais » etsy Mahamasina manomboka ny talata 22 jolay, ary haharitra efatra andro, ny atrikasa fanatevenam-pahalalana sy fanamafisana traikefa ho an’ireo tomponandraikitra ambony ao amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Ankoatra ireo tompon’andraikitra eto anivon’ny fitantanana foibe dia misy ireo solontena avy amin’ny fitaleavam-paritra manerana an’i Madagasikara mandray anjara amin’izany hetsika izany.

Mifanaraka amin’ny vina napetraky ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina, ny atrikasa, izay mikendry fanatsarana sy fanadiovana ny fitantanana raharaham-panjakana, ary koa ny fampiroboroboana ny mangarahara eo amin’ny sehatry ny asa.

Nosokafan’ny Minisitra Moustapha Marson tamin’ny fomba ofisialy ity atrikasa ity. Nambarany fa zava-dehibe ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana sy ny fanavaozana ifotony, mifanaraka amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana, ka izay indrindra no tanjon’ity fihaonambe ity.

Ankoatra izany, natao ihany koa ny atrikasa mba hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny foibe sy ny sehatra any ifotony amin’ny lafiny Tanora sy Fanatanjahantena, ka ho afaka hifandrindra amin’ny fanatanterahana ireo vina sy tetikasa iombonana ireo rantsamangaika rehetra.

CHARGEMENT EN COURS