MINISTÈRE DE LA JEUNESSE ET DES SPORTS
a

LE MINISTERE

-  Le Ministre

JEUNESSE

-  Confejes

-  PPEJ

SPORT

infrastructures

actualités

Tontosa ny 06 novambra 2022 ny hazakazaka ara-pirahalahina na ny « Course de l’Amitié » izay niatomboka teo amin’ny Parvis Analakely, nandalo teny Behoririka ary nifarana tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina.

Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taona niorenan’ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin’i Chine sy Madagasikara izay nokarakarain’ny Masoivoho Sinoa eto Madagasikara sy ny Fikambanana Sino-Malagasy 🇨🇳🇲🇬.

Anisany misitraka ny vokatr’ izany fifandraisana ara-dipomatika izany ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena raha tsy hiteny hafatsy ny fandefasana mpanao fanatanjahan-tena miofana any Chine sy fampitaovana ara-panatanjahantena.

Tonga nandray anjara tamin’izany, nisolotena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, nanome voninahitra ity hetsika fankalazana ity ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY sy Tale vitsivitsy eo anivon’ny Ministera.

CHARGEMENT EN COURS