MINISTÈRE DE LA JEUNESSE ET DES SPORTS
a

LE MINISTERE

-  Le Ministre

JEUNESSE

-  Confejes

-  PPEJ

SPORT

infrastructures

actualités

Tonga nanome voninahitra ny lalao famaranana ny DOPPEL TOP 20, izay nifanandrinan’ny COSFA sy USA ANKADIFOTSY, teny amin’ny Kianjan’ny Makis Andohatapenaka, Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto.

Anisany taranja nazahoana medaly volamena 4 nandritra ny lalaon’ny Nosy andiany faha 10 tatsy Maorisy ity taranja ity hoy Atoa Minisitra ary manantena hatrany isika fa ahazo mihoatra amin’ny andiany faha-11, izay hotanterahina eto amintsika ny taona 2023 izao.

Hisy ny fanatsarana ity Kianja ity araka izany.

Teo anilan’ny ekipam-pirenena mandrakariva ny Fitondram-panjakana Malagasy ka anisan’izany ny Makis de Madagasikara ary vonona hatrany ny Ministera amin’ny fifanomezan-tanana.

Ny ekipan’ny COSFA no nanondrambaka ny amboara izay natolotry Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto.

Nisaraka tamin’ny isa 39 noho 22 ny lalao.

CHARGEMENT EN COURS