Notontosaina anio 21 Septambra 2021 tany Sambava ny "Journée Internationale de la Paix" na ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny fandriampahalemana.
Nisy ny diabe nanaovana fanamiana fotsy na ny "marche blanche" niarahan'ireo tanora sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny sivily sy miaramila.
Lohahevitra nentina nanamarihana izany ny hoe "Miara-mianko,hamorigny fiaraha-monina milamigny sy mifapitsinjo".
Nandritra ny fankalazana no nanambaran' ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora Ramatoa Juliana RATOVOSON fa :"raha tiana tokoa mantsy ny hanangana firenena vanona dia mila manangana tanora vanona sy vonona isika hametraka fiaraha-monina milamina sy mandry fahalemana."
Satria ny Tanora no beazina ho mpandala ny filaminana na ny antsoina hoe "Youth Peace Builder" izay fiaraha-miasa amin'ny #UNPBF ,#OIT, #UNICEF,#UNFPA sy ao anatin'ny tetikasa #PBF_Vanille dia nahazo fiofanana ireo tanora avy ao amin'ny kaominina Bemanevika,Ampohibe sy Antalaha ary nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana ho azy ireo.
Nisy ny fitsidihana ireo trano heva nampiranty ny asa atao ho an'ny tanora izay nentina namaranana ny hetsika ny tapak'andro maraina .

