MINISTÈRE DE LA JEUNESSE ET DES SPORTS
a

LE MINISTERE

-  Le Ministre

JEUNESSE

-  Confejes

-  PPEJ

SPORT

infrastructures

actualités

Hisy ny hetsika fampirantiana ny tantaran'ny RUGBY GASY izay tanterahina manomboka ny 16 Septambra hatramin'ny 26 Novambra 2021.Hetsika eo  ambany fiahian'ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD'ALI Hawel, sy Andriamatoa  Christophe BOUCHARD, Ambasadaorin'ny Frantsa eto Madagasikara,  izy ireo izay tonga nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny hetsika fampirantiana momban'ny Rugby Gasy tao amin'ny Tahala Rarihasina androany.

Tanjona amin'izao fampiratiana izao ny hampihenana ny tsy fitoviana eo amin'ny lehilahy sy ny vehivavy amin'ny alalan'ny taranja rugby.

Nandritra ny fandraisam-pitenenan'Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, dia naneho ny fankasitrahany ho an'ny masoivoho Frantsay eto Madagasikara sy ireo nitoto nahafotsy nahandro nahamasaka izao hetsika izao ny tenany, ary nambarany fa ny fiaraha-miasa toy izao dia anisany mampandroso ny tontolon'ny Fanatanjahantena.

CHARGEMENT EN COURS