Tsara ny vokatra ho an'i Madagasikara eo amin'ny fifaninanana amin'ny taranja Rugby izay atao any Nairobi, Kenya satria dia nahazo fandresena izy ireo tamin'ny lalao voalohany natao androany.
Teo amin'ny "Rugby Africa Women's Cup" dia nivoaka mpandresy ny Makis Seniors Vehivavy tamin'ny isa 27 - 15 nanoloana an'i Lionesses Kenya .
Ny Makis lehilahy U20 kosa dia nandavo an'i Sénégal tamin'ny isa 34-03 ao anatin'ny " Barthès Trophy".
Alefa Makis
Alefa Madagasikara

