Tonga nitsidika ny Espace Jeunes tao Ifanadiana ny delegasiona notarihin'i Ramatoa Tale Jeneraly misahana ny Tanora. Fotoana nahafahana nifampidinika tamin'ny mpiara-miasa ny amin'ny hanatsarana sy hampivelarana ny tolotra omena ho an'ny tanora ao amin'izany ivon-toerana izany. Teo ihany koa ny fitsidihana ny "Centre des jeunes privé" izay eo ambany fitantanan''ny Diosezy Katolika.

