Notanterahina ny faha 30 sy 31 oktobra 2020 tao amin'ny Novotel Antananarivo ny YouthConnekt "Fanoitra" eto Madagasikara. Programa iarahan'ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny Pnud Madagascar. Nosokafana tamin'ny ady hevitra momba ny tontolon'ny fandraharahan'ny tanora izany ary nanaraka izany ny fandraisam-pitenenana izay notarihin'i Atoa Sekretera Jeneraly nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena,Atoa TINOKA Roberto

