MINISTÈRE DE LA JEUNESSE ET DES SPORTS
a

LE MINISTERE

-  Le Ministre

JEUNESSE

-  Confejes

-  PPEJ

SPORT

infrastructures

actualités

Miditra an-tsehatra androany 4 aogositra 2025 ny tanora malagasy izay mandray anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ny Antenimieran’ny Tanora eto amin’ny Ranomasimbe Indianina. Misolo tena an’i Madagasikara amin’izany i Andriamanana Kaliana Larantsoa sy Rajaonson Aiky Ilouna.

Ho amin’ity fihaonana ity, dia hisy famelabelarana sy ady sisika ho ataon’izy ireo mifandraika amin’ny lohahevitra « Ny fiovaovan’ny toetany sy ny fandraisana andraikitry ny tanora eto amin’ny Ranomasimbe Indianina. »

Mitarika ny delegasiona malagasy any an-toerana ny Minisitra Moustapha Marson. Manotrona ny hetsika ihany koa ny Tale Jeneraly misahana ny Tanora, Ramatoa Rahajarijaona Arlette ary tale vitsivitsy eto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

CHARGEMENT EN COURS