Zava-dehibe eo amin'ny fiainan'ny tanora ny Fialamboly. Ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena,izay tarihin'Atoa Minisitra TINOKA Roberto dia mitrandraka sy mampiroborobo ny tontolon'ny fialambolin'ny tanora eny anivon'ireny ivon-toerana ho an'ny tanora ireny na ny antsoina hoe "centre des jeunes".Raha ny eto amin'ny Fokontany Andaboly Kaominina Ambovombe dia "Ambiance du Quartier" no iantson'izy ireo an'ity hetsika ity,izay mampivondrona ireo tanora tsy an-kanavaka,ary tsy mifidy saranga.Samy nampiseho ny talentany avokoa ireo rehetra tonga teto

